<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 Avelao isika
 Izay te ho tia
 Ny Mpanavotra antsika
 Hanaraka Azy.

[V3]
 Aoka ho fantatsika
 Ny fitiavany
 Sy ny anton'ny asany
 Hiderantsika azy.

[V4]
 Be ny fiantrany,
 Nijery ny ory,
 Tratran-dRainy nialany
 Ho teraka olona.

[V5]
 Be ny fiantrany,
 Nijaly ka maty
 Hamonjeny ny mpanota,
 Ka Izy hisaorana.</lyrics>
<title>Avelao isika izay te ho tia FFPM85</title>
<hymn_number>85</hymn_number>
</song>